<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>3</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Isaorana anie Andriamanitsika
 Fa fitahiam-be Omeny ho antsika
 Hatreo ambohoka
 Ka mandraka antitra,
 Isika henika
 Ny soan'ny lanitra

[V2]
 Tsy mety tapitra na lany ny hareny,
 Tsy hita faritra ny sisa izay homeny;
 Fanahy sambatra
 Sy fo miadana
 No efa santatra
 Izay ananana.

[V3]
 Ny Ray sy Zanaka sy ny Fanahy koa,
 Derain'ny masina ho Tompo iray tokoa;
 Andriamanitray
 Be fahasoavana
 No anateranay
 Izay fisaorana.</lyrics>
<title>Isaorana anie Andriamanitsika FFPM3</title>
<author>Johan Cruger</author>
</song>